- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Nofatoran’ireo jiolahy ny tompon-trano, lasany entana

Andoharanofotsy : Nofatoran’ireo jiolahy ny tompon-trano, lasany entana

Ny alarobia lasa teo, tokantrano iray teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny no notafihan’ny jiolahy telo mirongo basy. Vantany vao tafiditra tao an-trano izy ireo dia nofatoran-dry zareo ny tompon-trano, ary nanao izay danin’ny kibony nibata ireo entana sy vola tao izy ireo. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia tsy nisaron-tava velively ireto olon-dratsy ireto. Basy poleta iray kosa ny teny amin’izy ireo, nentiny nampitahorana ireo olona tao an-trano. Tokony ho tamin’ny efatra ora latsaka fahefany teo no niditra amboletra tamin’ny alalan’ny famakiana varavarana ireto olon-dratsy ireto. Noho ny basy teny an-tanany dia tsy naninona ireto mpivady, tompon-trano. Mba tsy ahafahan’izy ireo mihetsika sy miantso vonjy dia nofatoran’izy ireo tongotra aman-tanana ireto farany. Fahilavitra « ecran plat » iray, fakan-tsary, solosaina, firavaka volamena, finday, ary vola teo amin’ny efatra hetsy ariary teo no very tamin’izany. Rehefa azon-dry zalahy izay nilainy dia nitsoaka izy ireo. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireo voatafika, saingy efa dila lavitra ireo olon-dratsy. Efa mandeha ny fikarohana sy famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici