WordPress database error: [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6538-1f28c.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6538-1f28d.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`

Andoharanofotsy : Nototoin'ny jiolahy maritoa ny lohan'ny mpiasa an-trano - Faits-Divers
- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6538-1f28f.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_postmeta`

AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Nototoin'ny jiolahy maritoa ny lohan'ny mpiasa an-trano

Andoharanofotsy : Nototoin’ny jiolahy maritoa ny lohan’ny mpiasa an-trano

Olona roa tompon’antoka no nosamborin’ny polisin’ny BC. Tokony ho iray volana mahery kely izay no nitrangan’ny vaky trano teny amin’iny faritra Ambohimanala Andoharanofotsy iny. Tokantranon’ny manamboninahitra iray no lasibatra tamin’io fotoana io ary maty novonoin’ireo jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana ny mpanampy vavin’ny tompon-trano. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny sampan-draharahan’ny pôlisim-pirenena misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra etsy Anosy. Ny herinandro lasa teo, taorian’ny fikarohana sy vela-pandrika natao dia voasambotra tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny, tao Betafo, ny iray tamin’ireo tompon’antoka tamin’ity vaky trano niharo vono olona ity. Tsy ela taorian’izay ihany koa dia voasambotra ny iray namany, izay mpifanila vodirindrina tamin’ilay tompon-trano voatafika. Raha tsiahivina ny zava-nisy, iray volana lasa izay, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia niray tsikombakomba tamin’ny famakiana trano iray, izay an’ny mpampiasa azy ihany, ny ramatoa mpanampy vavy tao an-trano. Ity farany no nandrisika ireo roa lahy namany sy namoha ny trano hidiran’izy ireo. Voalaza fa nony tao anatin’ny toe-draharaha anefa dia niova fo tampoka ity mpanampy ary tapa-kevitra ny hiantso vonjy indray. Tsy nahafaly ireo roa lahy totakely namany izany fivadihana tampoka ka dia novonoin’izy ireo ho faty tamin’ny alalan’ny vely maritoa impito teo amin’ny lohany izany ary tanterak’izy ireo ihany ny fangalàna ireo entana sarobidy rehetra tao an-trano. Nanomboka teo, taorian’ny fitairanana nataon’ilay mpitandro filaminana tompon-trano ny fanadihadiana rehetra ka nahafahana nisambotra ireto atidoha tao ambadik’izany. « Ny ampahan’ireo entana nangalarin’izy roa lahy moa no mbola tratra nandritra ny fisavana ny tranon’izy ireo, ary ny ambiny kosa dia nambaran’izy ireo fa efa namidiny teny amin’ny faritra Anosibe iny », hoy ny fampitam-baovao azo. Marihana fa « efa mpamerin-keloka ny iray tamin’ireto olon-dratsy satria dia vao avy nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy izy ny volana janoary 2020 teo rehefa naiditra am-ponja ny taona 2017 noho ny halatra vola mitentina dimampolo tapitrisa ariary izay an’ny mpampiasa azy ihany ». Hatolotra ny Fampanoavana ato ho ato moa ry zalahy ireto rehefa vita ny famotorana savaronando azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6538-1f291.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`