- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Olona 4, mpifoka sy mpivarotra rongony, voasambotra

Andoharanofotsy : Olona 4, mpifoka sy mpivarotra rongony, voasambotra

Saron’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, etsy Anosy, ny olona 4 voalaza fa mpivarotra sy mpanamparitaka rongony eny amin’ny faritra Malaza Andoharanofotsy iny, ny sabotsy lasa teo. Fantatra tamin’izany fa vehivavy ny telo amin’izy ireo, izay samy mpivarotra ity zava-mahadomelina maherivaika ity avokoa, ary lehilahy, izay mpanondrana sy mpanafatra rongony ny iray. Araka ny vaovao voaray hatrany dia mbola nahatratrarana rongony 30 fonosana ary « rarany » 400 grama teny amin’izy ireo. Ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana natao tamin’izy ireo no nahafantarana fa avy any Betroka ireto rongony ireto, vidiany amin’ny vidiny 25000Ar ny iray « sachet » raha 600Ar kosa no hamarotany ny iray fonosana. Fantatra ihany koa fa kamiô no hitondran’ireto olon-dratsy ireto ireo rongony azony ary mahatratra hatrany amin’ny 100.000Ar ny hividianany ny iray gony. Ary efa ho telo taona amin’izao no nivarotana rongony.

Fa ramatoa iray, mpivarotra enta-madinika, no saron’ireto mpitandro filaminana hatrany teny amin’ny faritra Ivo, amin’ity resaka rongony ity hatrany. Araka ny voalaza hatrany dia misy efitra fifohana rongony mihitsy eo akaikin’ny fivarotan’ity ramatoa ity. Mbola nahatratrana fonosana sy potika rongony maromaro aza tao aminy rehefa natao fisavana ilay toerana. Ambonin’izay, lehilahy iray no tratra teo am-pifohana ity zavamahadomelina ity. Samy natolotra ny fampanoavana omaly avokoa moa ireto olona tratra ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser