Ramatoa iray no nosamborin’ny zandary avy teo amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, ny voalohan’ny herinandro teo. Antony, ahiana fatratra sy voarohirohy ho namono nahafaty ny zanany vao teraka kely, sahabo ho roa volana teo, hoy ny fampitam-baovao, ary nanary ny vatana mangatsiakan’ity tsy manan-tsiny ity teny amin’ny fanarim-pako. Ny zava-nisy tokoa mantsy, ny tolakandron’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tany ho any dia nahazo antso ny zandary mahakasika ny fahitàna zaza menavava, efa tsy misy aina intsony, nisy nanary tao amin’ny trano rava iray, izay efa ataon’ny olona fanariam-pako, tao amin’ny toerana antsoina hoe Soarindra, fokontany Moraray, kaominina Andoharanofotsy. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto farany, niaraka tamin’ny mpitsabo ary hita teo tokoa fa zazalahy kely, any ho any roa volana any izy ireo, ary indrisy tokoa fa efa vatana mangatsiaka sisa. Tamin’ny fitsirihana ny razana no nahitàna fa misy mangana teo amin’ny kibony ary voalazan’ny mpitsabo fa tokony hoe adim-pamantaranandro dimy teo izay no nahafaty azy. Ny somary nahagaga dia mbola nofonosina bodofotsy mafana ity zaza ity ary manao akanjo mafana vaovao ambony sy ambany ihany koa, raha ny vaovao hatrany. Mazava ho azy fa resaka ain’olombelona no resaka ka nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny zandary nanokatra ny fanadihadiana. Natao avy hatrany fikarohana izay olona mety ho nahavita izay. Niantefan’ny ahiahy avy hatrany ny reniny, izay nisy nahatsikaritra nitondra zavatra mifono lamba talohan’ny fahitàna ity razana ity. Tsy niandry ela moa ny fikarohana izany renim-pianakaviana izany dia nivaly. Nosamborina ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. « Betsaka ny ahiahy sy ny fanontaniana tsy voavaly ao anatin’ity tranga ity saingy ny fanadihadiana ataon’ny zandary sy ny famotorana ataon’ny fitsarana no ahalalana ny marina »
m.L