- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Roa lahy mitam-basy, nanafika sy nidaroka

Andoharanofotsy : Roa lahy mitam-basy, nanafika sy nidaroka

Ny asabotsy tamin’ny roa ora sy sasany maraina, no nigadona tao amin’ny tokantrano iray ao Malaza Andoharanofotsy ny roa lahy mitam-piadiana. Basy poleta sy hazo, raha araka ny fanamarihana azo, no teny an-tànan’izy ireo. Nopitsohina ny varavarana ary rehefa tafiditra tao anatiny dia nodarohina avy hatrany ny tompon-trano no sady norahonany tamin’ny basy. Rehefa hita fa tsy nisy sahy namaly ny iray trano, dia nalaina tamin’izay ny zava-tsarobidin’ireo olona. Noraofina ny finday  enina sy ny solosaina azo bataina telo. Tsy namelany ihany koa ny firavaka volamena sy volafotsy tao an-trano. Vita izay rehetra izay, dia lasa ireo olon-dratsy. Efa adiny iray sy sasany taty aoriana anefa vao nahazo antso ny zandary, raha araka ny fanamarihan’izy ireo. Asa, mety ho olana tamin’ny tsy fisian’ny finday izay efa lasan’ireo jiolahy angamba.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici