Gony 11feno rongony,milanja eo amin’ny 200 kilao eo avy, no tra-tehaky ny zandary ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Andoharanofotsy, ny alarobia teo. Tao anatina fiarabe iray avy any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny no nitondra ireto zava-mahadomelina ireto. Nosamborina avy hatrany ireo olona telo tao anatin’ity kamiao feno rongony ity, nanaovana ny fanadihadiana. Araka ny fampitam-baovao tsilian-tsofina no ren’ireo mpitandro filaminana mahakasika ny fisiana fiara iray mitondra rongony an-jatony kilao nokasaina haparitaka eto Andrenivohitra. Nandray ny fepetra tamin’izany ireto nahazo ny vaovao. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina teo ho eo, teo amin’ny sakana mahazatra eo Anjomakely, dia fiarabe iray no nampiahiahy ireto zandary ka niroso tamin’ny fisavana avy hatrany izy ireo. Tamin’izany tokoa no nahitana ireto rongony efa vita fatratra tao anaty gony ireto. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo olona tao anaty fiara, dia tany amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny no nangalana ireto rongony ireto. Mba hahavery ireo mpitandro filaminana, izay mety efa nahatsikaritra ity entana teny an-dalana anefa dia nafindra fiara izany nony tonga teo Ibinty Antsirabe. Saingy izao sarona izao ihany nony tonga taty Andrenivohitra. Omaly ireto olona ireto no natolotra ny Fampanoavana. Nanamafy ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny zandary fa « vonona hatrany izy ireo hanao ny asany amin’ny fikarohana ny tsy fanarahan-dalàna na ny fandikan-dalàna tahaka itony ary hanao izay hamongorana araka izay azo atao ireo mpanao izany mba hisorohana ny fanaovana heloka hafa »
m.L



