Vehivavy no tompon’ny ketrika rehetra : ny tetik’ady hanantanterahana ilay asa ratsy ary ny fanadiovana ireo entana halatra avy eo. Ny lehilahy kosa no tompon’ny tanana manantanteraka izany. Efa voarindra tsara avokoa ny asan’ny rehetra tao anatin’izany tambajotra mpangalatra fiara izany. Ny tsy nampoizin’izy ireo anefa dia ilay iray andro kely ho an’ny mpanenjika ireo mpanao ratsy raha nigalabona tao anatin’ny 99 andro izy ireo.
Ny faran’ny volana teo tokoa mantsy dia voasambotry ny sampana ady heloka bevava eo anivon’ny pôlisim-pirenena, sakelika fahatelo etsy Anosy ny olona efatra, voarohirohy tao anatin’ny resaka fangalarana fiara « sprinter ». Araka ny loharanom-baovao avy eny anivon’ireo mpitandro filaminana dia vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Raha ny zava-nisy : ny faran’ny volana aogositra lasa teo dia nisy fanafihana niharo halatra fiara teny amin’iny faritra Mahamasina iny. Nambanana tamin’ny fitaovam-piadiana ny mpamily ary nampandohalihana ny mpanampiny. Lasan’ireo olon-dratsy, izay niisa roa, ny fiara « sprinter » MB 312 iray. Nametraka fitarainana avy hatrany teny anivon’ny BC ireo tompon’ny fiara very. Rehefa nandeha teny ny fikarohana dia tsikaritra fa misy fiara mitovy endrika amin’ilay nisy nangalatra manao fitateram-bahoaka, zotra F, mampitohy an’Ampefiloha sy Ambatofotsy. Nandrasana teny Andoharanofotsy ilay fiara ary nosakanana. Nasaina tonga teny ilay olona very fiara ary fantatra teo tokoa tamin’ireo pitsopitsony madinidinika fa tena ilay « sprinter » very io. Nasaina nanoro ny mpampiasa azy ilay mpamily ary noraisim-potsiny ny mpivady iray. Nibaradaka teo ramose fa ramatoa no tena tompon’ny atidoha tamin’ny fangalarana ary efa zava-panaon’izy ireo ilay izy. Misy ireny karazana taratasina fiara fotsiny ireny namidy tao anaty tambajotra sosialy ary niainga tamin’izay ny hevi-dratsy. Namboarina tanteraka ny fiara : ny lokony sy ny ao anatiny mba tsy hamantaran’ny tompony azy intsony, kanefa tsy navelan’ny marina tsy hitranga ny asa ratsin’izy ireo. Nanoro ny namany mora izy ireo tao anatin’ny fanadihadiana ka nahafahana nisambotra ny roalahy, izay tompon’antoka tamin’ireo fanafihana. Ny alatsinainy teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireo mpangalatra fiara ireto ary nadoboka am-ponja avy hatrany : ny roa eny Tsiafahy ary ny roa hafa eny Antanimora.
m.L