- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Taxi-be iray nandratra olona efatra

Andoharanofotsy : Taxi-be iray nandratra olona efatra

Ilay taxi-be nitera-doza.

Taxibe iray mampitohy ny renivohitra sy Andoharanofotsy no nandratra olona teny Mandrimena omaly hariva teo, noho ny fahamaizana. Olona efatra no naratra tamin’izany, izay nahitana mpandeha an-tongotra iray sy mpitaingina moto telo mianaka. Nentina namonjy toeram-pitsaboana noho ny ratra nahazo azy ireo olona efatra ireo.

Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nikasa hihodina an-dàlana ity fiara fitateram-bahoaka ity. Teo am-pihodinana, tsy nijery ny manodidina azy izy, no voadoana ilay mpandeha an-tongotra ary mbola nifatratra tamin’ilay moto nandeha tsara ara-dalàna. Nitangorona avy hatrany ny olona ary namonjy ireo naratra. Nisy koa anefa ny niantso ny polisy avy hatrany nijery ity loza ity. Tsy afa-nitsoaka ny mpamily sy ny mpanampy azy ka notanana hanaovana fandihadiana. Toe-javatra izay miverimberina sy mampitaraina ny mpandeha ny ataon’ny taxi-be tahaka izao. Efa nisy ihany ireo voasazy saingy miverina manao ny fandikan-dalàna, indrindra ny fihodinana an-tapa-dalana, ny fanariana mpandeha sns. Misy ny tompon’andraikitra afaka mandray an-tanana izany ka miantso azy ireo mba hijery akaiky ny toe-javatra tahaka izao ny mpanjifa.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici