- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Tery loatra ny làlana, ramatoa maty nofaohin’ny kamiao

Andoharanofotsy : Tery loatra ny làlana, ramatoa maty nofaohin’ny kamiao

accident-(2)Efa zara raha misy andehanan’ny fiara intsony ny làlana, mbola fiara vaventy ihany koa no nandalo teo. Nitera-doza izany ,omaly tolakandro, tetsy Andoharanofotsy. Vehivavy iray tokony ho telopolo taona no maty tsy tsa-drano nofaohin’ny kamiao, tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro. Raha ny fitantaran’ny olona, dia tsy hitan’ny mpamily akory ny nandonany ilay ramatoa ary mbola nanohy kely ny diany aza izy. Efa nihorakoraka ny olona vao taitra izy ary nijanona. Olona efa tsy nisy aina intsony no hita teo. Mba ho fiarovany ny ainy sy izay mety ho fitsaram-bahoaka, dia niala teo an-toerana ilay saofera ary nandeha nankany amin’ny biraon’ny zandary. Teo ihany dia nanokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ny mpitandro ny filaminana; izay nisy ampahany nidina teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza mba hanaovany ny tatitra ilaina amin’ny raharaham-pitsarana. Tery loatra ny làlana ary mainka koa manakely izany ny fisian’ny varotra an-tsisin-dàlana. Na mahay toa inona aza ny mpamily sy ny mpitandro ny filaminana, dia sarotra ny firindran’ny fifamoivoizana an-dalambe eo amin’io toerana nisehoan’ny loza io. Olana iray sedrain’ny mpampiasa làlana avokoa izany rehetra izany ary ahiana ny mbola hiverimberenan’ny loza raha toa ka tsy misy ny fandraisana fepetra matotra. Raha sendra misy ohatra ny tsy fahatomombanan’ny fiara izay mandalo eo, toa ny fahatapahan’ny hisatra, dia mazava hoazy fa mety hiteraka faharatrana na fahafatesan’olona mihitsy aza izany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici