Tokantrano iray no nisy nanafika tao amin’ny fokontany Volontara-Andoharanofotsy (Atsimondrano) ny alin’ny talata hifoha alarobia teo, tokony tamin’ny 1 ora maraina. Araka ny fitantaran’ny raim-pianakaviana tompon-trano izay mbola tsy natory tamin’io ora io, jiolahy tsy latsaky ny folo mitam-basy no nanatanteraka izany. Sendra nitsirika teo am-baravarankely izy no nahatsikaritra fa efa vohoadidina ny tranon’izy ireo. Araka ny fanazavana ihany dia nihanika tamboho no nidiran’ireo mpanao ratsy tao an-tanàna. Novakian’izy ireo ny varavarana mitsofoka ao amin’ny rihana ambany. Rehefa izany dia handeha hamonjy ny efitra fatorian’izy mivady sy ny zanany ny jiolahy sasany no afaka niantso ny lehiben’ny zandary ao Andoharanofotsy ny tompon-trano. Ireto farany izay saika tonga ara-potoana tokoa satria fisafoana teny amin’ny manodidina teny tamin’io fotoana io. Vao nahatazana ny jiron’ny fiaran’ny zandary tonga teny an-toerana ireo jiolahy dia nirifatra nandositra, nihoatra ny tamboho. Nizara avy hatrany zandary. Ny sasany nandeha nanenjika ireo jiolahy. Ny sasany kosa nitsofoka tao an-tanàna mba hizaha ny zava-misy. Nandritra izany no nahitana fa efa tafavoakan’ireo mpanafika tety an-tokontany ny televiziona « écran plat » lehibe iray. Hita latsaka teo an-tokontany ihany koa ny basy maherivaika (PM) marika israeliana (cal 9 mm) misy bala 05. Teny ivelany kosa, jiolahy iray no voasambotr’ireo zandary nanao fanenjehana tao anaty kirihitra, tokony ho 300 metatra miala ilay toerana voatafika. Nahitana basy poleta marika PATT ity farany. Ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahalalana polisy mpiambina olona ambony eto amin’ny firenena ilay basy hita latsaka tao amin’ilay tanàna voatafika. Fantatra ihany koa fa misy mpiambina roa lahy io tanàna io, Teo an-toerana izy ireo nandritra io fanafihana io saingy toa tsy nanao na inona na inona. Noho izay antony izay dia tsy maintsy nosamborina ihany koa izy ireo mba hanaovana fanadihadiana. Fehiny, olona telo izany hatreto no notanan’ny zandary mikasika ity raharaha ity.
T.M.