Ny zanaka vavy niharan’ny herisetra ara-nofo, ny rainy mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly ary zara raha mahavita mihetsika ny vatany. Izany dia taorian’ny fanafihan’ny jiolahy ny tokantranon’izy ireo tamin’ny herinandro lasa teo. Vatan-dehilahy 15 no tonga nanafika azy ireo. Nisy ny nitazona basy lava, raha araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Habibiana tsy roa aman-tany ny nitranga ary isan’ny niharan’izany ihany koa ny mpiambina sy ny ankohonany. Nofatorana izy dia naolana ny zanany vavy. Rehefa tafiditra tao an-tranon’ilay tale amin’ny orinasa tsy miankina iray indray dia novelesina tamin’ny vodibasy faran’izay mafy ny lohany ary tsy nahatsiaro tena intsony izy nanomboka teo. Ny sasany tamin’ireo olon-dratsy am-polony nibata ny entana izay nilain’izy ireo ary ny sasany kosa nanolana ilay zazavavy vao…12 taona. Nitondra takaitra ara-batana tanteraka ny fianakaviana satria ny rainy dia zara raha nahetsika tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Mbola tsy nahatsiaro tena izy ary raha sendra taitra kely aza dia tsy misy tadidiny avokoa ny zava-niseho, dia miverina torana indray, raha araka ny loharanom-baovao samihafa. Maro no tohina raha nandre ity zava-nitranga ity satria mihoatra ny loha tanteraka ny nataon’ireo olon-dratsy. Raha zohina aza dia potika tao anatin’ny minitra vitsy ny fiainan’ny fianakaviana iray izay mba niezaka ny ho mpiara-monina vanona ary koa tsy nanana disadisa tamin’ny hafa. Mandeha ny fanadihadiana ankehitriny ary andrasan’ny maro ny mba hahitàna ireo olon-dratsy izay averina ihany fa niisa 15 raha kely indrindra no tompon’antoka tamin’ilay asan-jiolahy nifangaro fanolanana. Heloka bevava roa sosona izany no notontosain’izy ireo tao anatin’ilay fotoana.
D.R