Tebiteby tsy nisy toa izany ny an-drangahy fa nisy naka an-keriny ny vadiny. Vola folo tapitrisa ariary be izao no notakian’ireo mitazona azy. Rehefa niezaka nikaroka sy nandray an-tanana ny raharaha anefa ny pôlisy dia hita ny trano nitazomana an’ilay ramatoa. Saingy tsy fakàna an-keriny velively no hitan’ireo mpitandro filaminana tao fa ity farany mbola naka fahafinaretana niaraka tamin’ny sakaizany teny am-pandriana.
Ny alakamisy teo no nitranga ity raharaha hafakely ity, teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. « Ny talata teo no tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny sakelika faharoan’ny Sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny ady heloka bevava ny lehilahy iray noho ny vadiny nisy naka an-keriny tamin’io talata io tokony ho tamin’ny 10 ora maraina ». Tsy nisalasala avy hatrany ireto mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha ary nanao izay fara-herin’izy ireo rehetra tamin’ny fikarohana ilay vehivavy.
« Nambaran’ny mpitory mantsy fa afaka nifampiantso tsara tamin’ilay ramatoa izy ary nitantarany fa teny Anosy no nisy efa-dahy nitondra azy an-keriny tany amin’ny tany tsy fantany ». Tamin’izay ihany koa no nilazàny ny ampitson’io fa hoe mitaky vola 10 tapitrisa ariary ireo mpaka azy raha tsy izany dia hovonoina ilay ramatoa. Nandritra izany koa no nilaza ilay ramatoa fa hoe noana fa tsy omen’ireo olon-dratsy sakafo ka nangataka vola iray hetsy ariary aloha. Nalefa avy hatrany moa ilay vola tamin’io fotoana io, hoy hatrany ny vaovaon’ny pôlisy. Tao anatin’ny fotoana rehetra nifampiresahana anefa dia efa nametraka paik’ady ireo mpitandro filaminana ka fantatra fa eny amin’iny faritra Mahabo Andoharanofotsy iny no toerana niazomana io vehivavy io. Nilatsahana vao maraim-be teny an-toerana io trano io ary nohodidinina pôlisy marobe avy ao amin’ny SAG sy BC efa niomana ny amin’ny mety ho fandehan-javatra rehetra. Zavatra hafa anefa no nitranga teo. « Nitsofoka tao an-trano avy hatrany ny polisy ka tra-tehaka teo am-pandriana ilay vehivavy (ndlr ilay hoe nisy naka an-keriny) sy lehilahy iray ».
Nentina natao fanadihadiana avy hatrany moa ireo farany ka tamin’izany no nahafantarana fa « noforonin’ilay vehivavy avokoa ilay fakàna an-keriny, ary nataony izany hangalana vola amin’ny vadiny. Fantatra ihany koa fa sakaizany io lehilahy tratra niaraka taminy io ary nohafarany avy any Morondava hiara-kipetraka aminy tao amin’io trano izany nofainy tao Mahabo Andoharanofotsy io nanomboka ny alahady », hoy ny vaovao. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa izy roa ireto.
m.L