- Publicité SW45 -
samedi, février 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Voasambotra fanindroany I Pisobe, tontakely raindahiny

Andoharanofotsy : Voasambotra fanindroany I Pisobe, tontakely raindahiny

Tamin’ity indray mitoraka ity dia resaka halatra moto indray no nahavoapaingotra an’I Pisobe. Tontakely raindahiny, nampiteny ny anarany teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny ary efa nampitondra faisana ny mponina teny an-toerana. Efa tsy zoviana amin’ny sampandraharahan’ny zandary rahateo ny lehilahy. Raha ny vaovao azo dia nisy halatra moto nitranga ny faran’ ny herinandro lasa teo. Ny tsy fantatr’ilay nangalatra dia nisy GPS ilay moto nangalarina ka mora foana tamin’ireo mpitandro filaminana ny nanaraka ny nisy azy. Nanondro teny Morarano, Andoharanofotsy io GPS io. Tsy nihambahamba ny olona nilaza tamin’izay fa tsy maintsy ao amin-dry Pisobe izany moto very izany. Rehefa natao tokoa ny fisavana dia tratra tao an-toerana ilay moto halatra. Noraisim-potsiny indray araka izany ity tontakely mpamerin-keloka ity. Tsy vaky trano sy fanendahana intsony indray no nanjehena azy fa halatra moto. Efa natolotra ny Fitsàrana moa ny raharaha ka dia nadoboka am-ponja vonjimaika ingahy, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici