- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Volabe iray miliara Ar, tsy fanta-piaviana, saika hoentina any Atsimo

Andoharanofotsy : Volabe iray miliara Ar, tsy fanta-piaviana, saika hoentina any Atsimo

Ny fitondràna vola tsy maninona fa raha volabe amina miliara entina mandehandeha, mampiahiahy ihany. Sady imason’ny tany efa tsy dia milamina loatra izao. Ny faran’ny herinandro lasa teo tokoa no saron’ireo mpitandro filaminana ny olona maro, nitondra volabe, nahatratra tany amin’ny iray miliara ariary tany ho any. Araka ny fantatra dia saika hoentina any Ilakaka ireto volabe ireto, hividianana vato, raha ny vaovao voaray hatrany. Nampiahiahy ihany ny fisiana volabe mandehandeha toa izao ka nentin’ireo mpitandro filaminana natao fanadihadiana ireto olona ireto. Tamin’izany no nahalalana fa devizy avy any am-pitandranomasina izy ireo ary teny Analakely no natakalo, dia izy io saika hoentina any Atsimo io. Ny vaovao hatrany anefa no nahalalana fa tsy vao izao akory ireto olona ireto no mitondra vola mampiahiahy, entina any Atsimo izao fa efa in-dimy no sarona foana. Atao inona ary volabe haparitaka any Atsimo? Fanontaniana goavam-be mipetraka. Ny fantatra tokoa mantsy hatreto, raha ny vaovao mandeha, dia somary manahirana ny mahita safira ao Ilakaka, raha nampanankarena olona maro tokoa izany taona maromaro lasa izay. Misy zavatra ambadika ve? Tsy fantatra intsony fa ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana angamba no afaka hanazava bebe kokoa ny mikasika an’izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser