- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatampenaka : 30 lahy nirongo kalaky nanafika mpivarom-boanjo sy gargôty

Andohatampenaka : 30 lahy nirongo kalaky nanafika mpivarom-boanjo sy gargôty

Nihorohoro  ireo mponina teny Andohatampenaka, ny talata hariva lasa teo. Tonga aty an-drenivohitra ve ny dahalo ?

Andian-jiolahy  teo amin’ny 30 lahy teo tokoa no indray nandrava mpivarotra maromaro teny an-toerana io hariva io, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany  teo. Samy manao kilaoty fohy kely avy izy ireo, ary tsy miteny ny amin’ny fiteny eto am-povoan-tany, hoy ny filazan’ireo fokonolona teny an-toerana. Nirefodrefotra ny basy teny an-toerana. Kalaky sy basy lava ary zava-maranitra no nentin’ireto andian-jiolahy ireto tamin’izany, araka ny loharanom-baovao avy eny an-toerana. Horohoro, hatairana, saika izany avokoa no novakiana teny amin’ny endrik’ireo olona teny an-toerana. « Samy niezaka namonjy ny ainy avokoa ny rehetra. Nifanotofana izay fiara sendra nandalo », hoy fitantaran’ny tovolahy iray nirava avy niasa, ka sendra teny amin’iny faritra iny. Araka ny fantatra dia tao anatin’ny jiro tapaka mihitsy ireto olon-dratsy ireto no nanantanteraka ny fanafihana. Mpivarotra maromaro teny an-toerana no lasibatra tamin’izany. “Ny nahagaga, hoy ny mpitandro filaminana, dia saika mpivarotra madinika avokoa ireo voatafika ireo: mpivarotra enta-madinika kely, mpivarotra hani-masaka, ny sasany aza mpivaro-boanjo”. Na izany aza, vola teo amin’ny enina hetsy ariary teo no lasan’ireto andian-jiolahy ireto. Olona roa kosa no fantatra fa naratra vokatr’izany. Ny iray tamin’izy ireo voan’ny bala, ary ny iray kosa voavelin’ny vodi-basy. Ireto farany izay efa nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Raha vao naharay antso fotsiny ireo pôlisy tao amin’ny boriborintany faha-7 dia tonga haingana teny an-toerana, nampian’ny avy ao amin’ny USI sy ny UIR. Nitsoaka avy hatrany, nihazo ny elakelan-trano sy tanimbary teny an-toerana ireo jiolahy am-polony maro ireto, raha vao nahita fotsiny ireo pôlisy tonga. Raikitra ny fifanenjehana saingy toa mahay lavitra ity kartié ity noho ireo mpanenjika ireo olon-dratsy ka samy tafaporitsaka avokoa.

Manoloana izany indrindra, avy hatrany dia nandray fepetra manokana ireo pôlisy misahana iny faritra iny, entina hiadiana amin’ity tsy fandriampahalemana ity. Nisy araka izany ny fivoriana indray niaraka tamin’ireo sefo fokontany isanisany, handrafetana drafitra matipaika hiadiana amin’izany. Fantatra ihany koa fa hisy ny fanaparitahana ireo pôlisy voaofana manokana eran’ireo faritra mafana eto an-drenivohitra. Hisy amin’izy ireo ny hanao fanamiana sivily, mba hahafahana mitily mialoha izay olona mampiahiahy. Fa raha mikasika ity tranga tamin’ny talata hariva ity, araka ny fanazavana hatrany, dia ry zareo ao amin’ny sampana heloka bevava no misahana ny raharaha, ary efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici