- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatampenaka : Lehilahy misandoka ho mpiasan’ny « domaine », voasambotry ny pôlisy

Andohatampenaka : Lehilahy misandoka ho mpiasan’ny « domaine », voasambotry ny pôlisy

Tovolahy mpisoloky gaigilahy amin’ny resaka tany no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly, ny alakamisy lasa teo, teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny. Milaza ho mpiasan’ny « domaine » ity ranamana ity amin’izany ary dia tsy vitsy ireo roboka, manankina aminy ny fikarakaraka taratasin-tany isan-karazany. Ahodin’ilay tsy valahara anefa izany ary dia izy no lasa mivarotra ilay tany, izay mazàna dia tsy fantatr’ilay tena tompony akory. Mampiasa teknôlôjia isan-karazany izy amin’izany asa ratsy ataony izany : ny fanaovana « scan » ireo tombokasem-panjakana isan-karazany sy ny fangalàna tahaka ireo dikasoratra ara-panjakana isan-karazany.  Efa vola an-tapitrisany maro no lasan’ity mpisoloky ity talohan’izao nahatratrarana azy izao. Marihana fa gadra nitsoaka ity tovolahy ity, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Ny taona 2014 izy no voaheloka higadra eny Antanimora, noho ny resaka fisolokiana. Efa nigadra 18 volana izy, izany hoe ny taona 2015, no tafaporitsaka teny 67ha. Nanomboka teo ny fandefasana fampikarohana azy saingy tsy hita tany nanjavonana ny lehilahy, raha tsy izao indray. Izany hoe efa niriaria sy nanohy ny asa ratsiny nandritra ny roa taona teo ho eo ity mpisoloky ity vao izao voasambotra izao indray.  Fantatra fa « ankoatra ity raharaha anenjehana azy ity dia mbola misy raharaha efatra hafa ihany koa anenjehana azy ao amin’ny sampan-draharaha hafa ao amin’ny Police économique », hoy hatrany ny vaovao. Omaly moa no nentina teny anivon’ny Fampanaovana ity lehilahy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici