- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatampenaka : Mpanendaka telolahy voasambotra niaraka tamin’ny sabatra

Andohatampenaka : Mpanendaka telolahy voasambotra niaraka tamin’ny sabatra

Ny alatsinainy lasa teo dia mpanendaka telolahy no voasambotra, teo am-panaovana ny asa ratsiny teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny. Mbola tratra teny amin’izy telolahy ireto, izay saika ankizy mbola tsy ampy taona ny sasany, ny zava-maranitra fentin’izy ireo mampitahotra ireo lasibatra. Tamin’io fotoana io dia sendra ny nahay azy ireto tontakely ireto, satria dia teo ambany masona pôlisy iray, tsy nanao fitafiana izy ireo no nanao ny ataony. Nandray ny andraikiny avy hatrany ity farany raha vao nahita izany ary avy hatrany dia nisambotra azy ireo. Niantso ny namany nony avy eo, ary ireto farany no nitondra azy telolahy tany amin’ny kaomisaria foibe tetsy Tsaralalàna.

Isan’ny faritra iray, hanjakan’ny asan-jiolahy sy ny fanendahana tokoa iny faritra Andohatapenaka sy ny lala mamorona ny digue iny. Eny fa na dia eo tokoa aza ny ezaka ataon’ireo pôlisy misahana ireo faritra ireo. Mazàna dia ankizy tsy ampy taona ireo mpanao ny asa ratsiny eny amin’iny faritra iny. Ankizy izay manao andiany ary mampihorohoro tokoa, na ireo ao anaty fiara na ireo mpandeha tongotra, indrindra moa fa raha vao manomboka hariva ny andro na ilay vao maraim-be iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici