Antokon’olona maromaro no nidina an-dalambe, omaly hariva teny amin’iny faritra Andohatampenaka iny. Velona ny horakoraka teny an-toerana, niampy ny fanakanan-dalana nataon’ireto olona ireto. Nisy mihitsy aza, raha ny fanazavana azo ny fanelingelenana ireo mpindrana iny lalana iny, izay niafara tamin’ny fitoraham-bato ireo fiara nandalo. Voatery niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana araka izany, raha ny fantatra hatrany. Mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmoreg maromaro no tonga teny an-toerana, nandamina ny zava-misy. Raha ny fanazavana azo hatrany, taorian’ny fifampiresahana dia nalaky nilamina ihany ny toe-draharaha ary niverina tamin’ny laonina ny fifamoivoizana. Tsy nisy ihany kosa ny fisamborana raha ny nambaran’ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Raha ny fantatra dia toa hoe leo ny resaka fahatapahan-jiro sy ny resaka Jirama no antony nidinanan’ireo mponina ireo an-dalam-be.
m.L