
Lasibatra hatrany ny « cash point » ! Efa maromaro ihany izay voa izay ary efa maromaro torak’izay ihany koa ireo olon-dratsy voasambotra. Anisan’izany ity tovolahy iray, tra-tehaky ny pôlisy tetsy Andohatapenaka ity, ny talata teo ity. Araka ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia nisy cash point lasibatry ny asan-jiolahy indray teny amin’iny faritra iny, andro vitsy lasa izay. Raha ny vaovao azo dia « tsy nijanona tamin’ny halatra ihany anefa ireo jiolahy fa mbola nampiseho herisetra manoloana ilay olona mpanao cash point ihany koa ». Mazava ho azy, naratra vokatr’izay herisetra izay ilay olona ary lasan’ireo mpanao ratsy ny vola. Taorian’ny fandraisana an-tanana nataon’ny teo anivon’ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito dia fantatra tamin’ny alalan’ny angom-baovao fa hoe nisy iray tamin’ireo nandray anjara tamin’io fanafihana io, niriaria teny Andohatapenaka. « Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy manao fanamiana sivily ka raha vao tazan’ity lehilahy ity izy ireo dia iny izy vaky nandositra. Raikitra ny fifanenjehana ary efa lavidavitra vao azo noho izy nitsofotsofoka tanàna ary efa mailo tanteraka ny lehilahy » hoy hatrany ny vaovao. Efa tena mpanao azy mihitsy ranamana satria mbola hita teny aminy, ary heverina fa tsy miala tany am-balahany ny antsy lava iray sy ody gasy maromaro. Angamba mbola nihevitra ny hitady izay ho hazany hafa indray ny lehilahy tamin’io fotoana nahatongavan’ny pôlisy io. Soa ihany anefa, sendra ny nahay noho izy ity olon-dratsy ity, ka izao tsy afa-nikofoka izao intsony. Marihana fa eny Manjakaray ranamana no mipetraka, kanefa dia tonga eny Andohatapenaka manao ny asa ratsiny. Nentina notazomina avy hatrany natao andrimaso ho amin’ny famotorana moa ingahirainy. Heverina ihany koa fa tsy ho ela dia tra-tehaka toa azy ireo namany, niaraka nanao izany fanafihana izany.
m.L