- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Efa-dahy nirongo basy nanafika « épicerie »

Andohatapenaka : Efa-dahy nirongo basy nanafika « épicerie »

Ny sabotsy hariva lasa teo, mpivarotra enta-madinika iray no lasibatry ny andian-jiolahy mirongo basy, teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny. Vola aman’hetsiny no lasan’ireo farany, soa ihany fa tsy nisy ny naratra na aina nafoy, tamin’izany. Araka ny angom-baovao azo, dia tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany tany ho any no niseho ity tranga ity. Ny roa tamin’ireo jiolahy no nitondra basy poleta, raha zava-maranitra kosa no nentin’ireo ambiny. Iretsy voalohany no avy hatrany dia nanao amboletra niditra tao amin’ilay fivarotana, raha niambina sy nitily ny teny amin’ny manodidina ny roa hafa. Nandrahona ilay tompon’ny tsena ny mba hamoahany ireo vola rehetra tao. Teo anatrehan’izany, dia tsy afa-nanoatra ihany koa ny tao an-tsena, fa dia nanaiky mora ny fandrahonan’ireo mpanafika ary nanome izay notadiaviny. Noraofin’izy ireo avokoa arak’izany ireo vola rehetra matin’ity fivarotana ity, nandritry ny andro ; izay tombanana ho enina hetsy ariary teo ho eo. Ambonin’izay dia lasan’ireo olon-dratsy koa ireo entana rehetra izay zakan’izy ireo tao amin’ilay fivarotana. Nanao tari-dositra avy hatrany moa izy ireo nony azony izay nilainy. Azo lazaina fa mbola be olona teny an-toerana tamin’io fotoana io, saingy noho ny tahotra dia tsy nisy sahy nanampy ireo rehetra nanatri-maso, fa dia nitazam-potsiny. Nanao tari-dositra aza ny sasany. Isan’ny toerana mafana tokoa iny Andohatapenaka iny amin’ny tsy fandriampahelamana. Ireo mpivarotra, fa indrindra ireo mpandeha tongotra, eny fa na hatramin’ireo mpitondra fiara aza dia mahita faisana tokoa, nisy fotoana. Somary nangingina anefa izay tao ho izay, noho ny hetsika manokana nataon’ny teo anivon’ny pôlisy ary dia izao mitady hiverina izao indray. An-katoky ny Asaramanitra rahateo indray isika izao ka mirongatra tanteraka ny asan-jiolahy. Ny fanendahana sy ny harom-paosy moa dia efa tsy lazaina intsony, eny amin’ireo faritra be olona, toy ny eny Analakely sy Behoririka iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici