Omaly maraina, tokony ho tamin’ny 3 ora teo, dia fiara kely iray indray no niharan-doza teny Andohotapenaka. Teo ampitan’ny kianja Maki eny amin’ny Route Digue no nitrangan’izany. Raha ny tombamtombana aloha dia potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony ilay fiara. Ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza no hilazana fa noho ny fandehanana mafy loatra no nahatonga izany. Ny andro mbola maizina. “Nirimorimo loatra ilay fiara ka avy hatrany dia nifatratra teo am-pototr’ilay andrin-jiro. Ny dona mafy nahazo azy no nitarika ny fahasimbana”, hoy ny fanamarihan’ity raim-pianakaviana iray teny an-toerana. Marihina hatrany moa fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity zava-nitranga ity. Efa nentina eny amin’ny hopitaly kosa ilay mpamily nomena ny fitsaboana sahaza azy.
Niony H.