- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Fiaran’ ambasady norobaina telolahy

Andohatapenaka : Fiaran’ ambasady norobaina telolahy

Efa tsy mifidy asiana tokoa ireo olon-dratsy amin’izao fotoana izao, fa na iza io na iza dia mahita faisana avokoa. Toy ny niseho teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Fiara mitondra plaky maitso iray no nidirana telolahy amboletra. Lasa tamin’izany ny findain’ilay teratany vahiny tao anatiny. Eny amin’iny faritra iny tokoa, indrindra fa ilay aty amin’ny faritry ny Digue, raha vao mirotsaka fotsiny ny alina, dia efa tonga ry zalahy. Lasa toerana fihazan’ireo mpanendaka sy mpandroba anaty fiara mihitsy iny toerana iny. Manginy fotsiny ny fitohanana lavareny, amin’ny fotoana firavanan’ny mpiasa sy ny mpianatra iny. Manao andiany maro tokoa ireo bandibandy ireo. Ny sasany indray mody mihazakazaka. Amin’izay fotoana izay anefa, raha ny filazan’ireo mponina eny an-toerana hatrany, ireo mody mihazakazaka ireo no mitily izay fiara ratsy hidy, kanefa misy fitaovana sarobidy. Toa izany mihitsy no nahazo ity fiara laharana maitso ity; izay tavela tao anaty fitohanana tamin’io fotoana io,  somary hariva ihany. Asa na hadinon’ity teratany vahiny ity, ny nanidy ny fitarany na mety vao tonga ka mbola tsy mahafantatra izany. Mora tamin’ireo olon-dratsy ny niditra tao anaty fiara sy naka izay zakany. Tsy misy miteny, tsy misy mihetsi-bolo-maso kosa etsy andanin’izay ireo olona izay mahita. Asa na tahotra ny amin’ny mety ho valifatin’ireo mpanendaka ireo na ahoana? Raha ny fantatra teny an-toerana tokoa mantsy, dia saika fantatr’ireo mponina avy hatrany ry zalahy ireo. Matahotra avokoa anefa iretsy voalohany, raha vao migadona ry zalahy na hoe hita eo am-panaovana ny asa ratsiny. Hany azon’izy ireo atao sisa, dia ny fampitandremana mangingina na amin’ny alàlan’ny fihetsika na bitsibitsika amin’ireo izay vahiny sendra tara harivariva eny amin’iny faritra iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici