Efa teo an-dalana hananatanteraka ny asa ratsiny ireto andian-jiolahy no ravan’ny pôlisin’ny UIR, izay efa nahazo loharanom-baovao mialoha. Araka izany, jiolahy roa no azo sambo-belona niaraka tamin’ny basy poleta vita gasy sy ny famaky. Nisy namany iray kosa tafaporitsaka ary efa eo am-pikarohana ity farany ireto hery vonjy taitra avy eo anivon’ny kaomisaria foibe ireto. Raha ny fanazavàna azo dia nikasa ny hanafika toeram-pivarotana iray teny Avarabohitra Itaosy ry zalahy ireto. Teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny kosa no toerana nifanarahan’izy ireo fa hifanatonana alohan’ny handehanana hanao ilay asa ratsy. Efa fantatr’ireto mpitandro filaminana mialoha anefa izany tetika izany ka izy ireo no tonga aloha teny an-toerana. Napetraka ny vela-pandrika, ary nony mitataovononana teo no indro fa tamy tokoa ireto olon-dratsy, izay efa niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, ary efa nivonona haka fiara ho any amin’ilay toerana hanaovany ny asa ratsiny. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireto pôlisin’ny UIR ireto. Raikitra teo ny fifanenjehana. Voatery nanapoaka basy mihitsy moa ireto farany, nentina nampitahorana ireto olon-dratsy ka nibaboka tamin’izany ny roa tamin’ireto farany, izay nahitàna ireo fitaovam-piadiana voalaza etsy ambony ireo. Ny iray tamin’izy ireo kosa, nanao tsoa-pe nandositra sy niroboka an’Ikopa mihitsy ary nihazo an’Ambohidrapeto iny. Nisy nanaraka ihany ny sasany tamin’ireo mpanenjika saingy tsy tratra ilay zalahy tafatsoaka io. Efa natolotra ny pôlisy miandraikitra ny fanadihadiana moa ireto olon-dratsy ireto. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo izay mety ho namany. Tsy mitsahatra hatrany ny mangataka fiaraha-miasa amin’ny fokonolona ny pôlisy. Loharanom-baovao avy amin’ireo mpiara-monina tokoa mantsy no ahafahana misoroka ny asa ratsy mety hiseho. Raha tsy voasakana tokoa moa ry zalahy ireto, mety ho efa nisy ny rà mandriaka ary fananana maro no very.
m.L