- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Lehilahy niaro olona voaendaka, maty voatsindrona antsy

Andohatapenaka : Lehilahy niaro olona voaendaka, maty voatsindrona antsy

Ny alin’ny alatsinainy, lehilahy iray no maty notsindronin’ny mpanendaka antsy teo amin’ny kibony ary voalaza fa nivoaka mihitsy ny tsinainy. Novonjena nentina notsaboina ilay izy, nefa tsy tàna ny ainy. Teny Andohatapenaka no niseho ity famonoana olona ity. Ny loharanom-baovao no nahalalana, fa nandritra ny fitohanan’ny làlana dia nisy olona iray hamonjy fodiana nosavoritahan’ny mpanendaka roa.  Raha nahita izany ilay lehilahy, dia tsy nisalasala nanakana ireo jiolahy. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa tezitra ireo mpanendaka, ka tsy nisalasala  ny iray nanindrona antsy an’io olona be herimpo io. Voa teo amin’ny kibony izy ary nitolefika. Mbola tena maro ny mpandeha teny an-dàlana ary tsy vitsy araka izany ireo nahita ny fandehan-javatra. Ireto farany no niezaka namonjy ilay lehilahy. Ireo olon-dratsy kosa raha vao nahita fa voa mafy ilay olona, dia lasa nandositra. Tsy mbola nahazo na inona na inona izy ireo tamin’izany. Tamin’ireo rehetra nanatrika ity asan-jiolahy ity, nisy ny nahafantatra an’ireto mpanendaka ireto. Nilazana avy hatrany ny mpitandro filaminana izay nanao ny fanadihadiana. Natao ny fikarohana an’ilay namono olona, ka omaly maraina dia tratra ilay izy. Voalaza moa fa monina eny amin’iny faritra iny ihany ity bandy ity. Rehefa tany amin’ny mpitandro filaminana dia fantatra ihany koa fa, olona vao avy nigadra teny Tsiafahy ilay izy ary dia izao manomo olona izao indray. Efa tazonina any amin’ny polisy ilay izy amin’izao fotoana izao.

Ilay namoy ny ainy kosa dia efa nalain’ny havany omaly, tao amin’ny tranompatin’ny HJRA  ihany koa ny nofo mangatsiakany.

Saika nahenoana asa fanendahana sahala amin’izao, isaky ny vao maizina ny andro manerana ny sakeli-dalana eto Andrneivohitra. Toa tsy mifidy mihitsy ireo olon-dratsy, fa izay sendra azy dia ataony amin’ny fanaovana azy avokoa. Efa maro ireo nosamborina, mbola betsaka koa anefa ireo manao ny asan-jiolahy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser