- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Lehilahy nipotsaka atidoha, voahitsaky ny kamiao

Andohatapenaka : Lehilahy nipotsaka atidoha, voahitsaky ny kamiao

Loza mahatsiravina ihany koa no niseho tetsy amin’ny lalam-baovao, tsy lavitry ny kianja Maki, Andohatapenaka, omaly tolakandro. Tovolahy iray no maty tsy tra-drano rehefa voahitsaky ny fiarabe izay niasàny ihany. Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana dia nanana olana ara-teknika ity fiarabe ity, ary tsy nahatana ny familiana izany intsony ny mpamily azy. Noho izay zavatra izay dia nikodiadia sy namantana ary nivarina tanaty rano ilay fiarabe. Nahita ny loza hitranga anefa ilay tovolahy mpanampin’ny mpamily, ka niezaka  ny nanavotra ny ainy. Nitsambikina avy eny ambonin’ilay fiara. Vao maika loza mahatsiravina anefa no niseho. Tsy tafiala lavitra akory ny lalan’ilay fiarabe izay namantana hatrany tanaty rano izy, teo akaiky teo ihany no nitontona. Voadona ary niafara tany ambany kodiarana. Ny lohany mihitsy no voahosin’ireo kodiarana lehibe. Nandriaka ny rà ary nipotsaka mihitsy ny atidohany. Tsy tra-pamonjena intsony araka izany ity farany. Maty tsy tra-drano. Efa teny an-toerana nijery ifotony ny zava-misy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana izay nanokatra ihany koa ny fanadihadiana tetsy andanin’izay. Tsy tazana teny an-toerana intsony ny mpamilin’izany fiarabe izany, taorian’io loza io. Nitsoaka sa nandeha niaro ny tenany ?

 Mazàna moa amin’ny toe-javatra tahak’izao, dia mandeha mitsoaka, mihazo avy hatrany biraon’ny mpitandro filaminana ny mpamily nahavanon-doza, hialàna amin’ny mety ho fahatezeram-bahoaka, toy ilay tranga niseho tetsy Ambohimahitsy, herinandro vitsy lasa izay. Tamin’iny fotoana iny ihany koa mantsy dia fiarabe, nanana olana ara-teknika no nandona sy nahafaty olona.

Marihana fa efa nilaza ny teo anivon’ny mpitandro filaminana, raha tsy hiteny afa-tsy ny zandarimariam-pirenana fa ho hentitra tanteraka izy ireo amin’ny fisavàna ireo tsirika ara-teknika ny fiara ary hiroso amin’ny fanasaziana avy hatrany ho an’ireo izay tratra sy minia mandika lalàna. Ary mbola nohantitranterin’izy ireo izany, manoloana ireo lozam-piarakodia nifanesisesy tato ho ato izay, ary saika namoizana ain’olona avokoa. Raha ny mahasika ity loza tetsy Andohatapenaka ity moa dia ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana no miandraikitra ny famotorana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici