Vao maraina omaly dia efa nirefotra ny basy tetsy Andohatapenaka, mifanakaiky ny kianja Maki. Raha araka ny fanazavana azo dia efa narahan’ny polisy hatreny 67ha ilay lehilahy rehefa voarohirohy ho jiolahy. Teo am-panomanana fanafihana mitam-piadiana izy ary nivezivezy tamin’izany, raha araka ny fanampim-panazavana. Nahitàna basy P.A marika MAB teny aminy ary azo heverina fa nisy ny fifanakalozana tifitra nialoha ity fahalavoan’ilay rangahy ity. Antsoina hoe Ramiaramila izy ary efa ela no nikarohan’ny polisy azy. Omaly vao tena nifanehatra tanteraka ny roa tonta ary niafara tamin’ny tifitra nahafaty. Isan’ny mahatalanjona ny nananan’ity jiolahy ity fitaovam-piadiana (MAB) izay tsy tokony hisy hanana ankoatra ny mpitandro ny filaminana. Misy mampanofa basy ve any ho any sa kosa mbola mandeha ihany varo-maizina fitaovam-piadiana ? Etsy andanin’izany, tsapa fa mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Ankoatra ny tetsy Anosibe (alarobia atoandro) izay nahazoan’ireo mpanafika 100 tapitrisa ariary, dia nirefotra koa ny basy tetsy Andranobevava, mifanandrify amin’ny Marais Masay (alin’ny talata). Manginy fotsiny ny fanendahana etsy sy eroa. Miverina mafampana indray ny renivohitra ary rariny raha niha-nasika ny polisy tetsy Andohatapenaka.
D.R