- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Lehilahy novonoina, avy eo natsipy tao Ikopa

Andohatapenaka : Lehilahy novonoina, avy eo natsipy tao Ikopa

Feno mangana sy ratra iny faritry ny lohany iny, nahitana diana tady ihany koa teo amin’ny tendany. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona latsaka teo no hita faty tao Ikopa, omaly vao maraina, teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny, manandrify indrindra ilay fiantsonan’ny taxibe antsoina hoe « poteau double ». Hatairana ny an’ireo mponina sy mpandalo teny an-toerana, raha nahita ity vatana mangatsiakana lehilahy nantsigevan’ny rano. Nantsoina avy hatrany ireto tompon’andraikitra isan-tsokajiny, tonga teny ihany koa ny mpamonjy voina niezaka nampiakatra ny razana. Araka ny fizahana nataon’ireo mpitsabo, dia tokony ho roa na telo andro tany ho any ity rangahy ity no namoy ny ainy. Efa somary simban’ny rano mantsy ny vatany. Mbola miakanjo tsara mihitsy ity lehilahy hita faty ity : pataloa velon-drirana nisy fehikibo ny ambany, lobaka mitsipitsipika fohy tanana miloko volom-boasary kosa ny ambony, ary manao kiraro mainty. Mbola teny aminy ihany koa ny famantaranandrony. Amin’iny faritry ny lohany iny no nahitana ratra isan-karazany sy feno fivontosana, nisy faritra tady ihany koa ny tendany. Hatreto, raha ny vinavinan’ny olona teny an-toerana, dia hoe nisy namono ity rangahy ity. Ny mahagaga anefa, toa tsy nisy nanombinana ny fitafiana teny an-kodiny. Vono olona tsotra izao fotsiny ve ? Noratraina avy eo nokendaina ka rehefa maty dia natsipy tao amin’ny ranon’Ikopa ary izao nantsingevan’ny rano izao. Nambaran’ireo nahita maso hatrany fa tsy mponina eny an-toerana izy io, ary tsy misy mahafantatra azy. Heverina araka izany fa mety tany amin’ny toeran-kafa no namonoan’ireo olon-dratsy ity rangahy ity,ka navalan’ny rano teny an-toerana ny razana. Teny aminy ihany koa, tsy nahitana taratasy momba azy. Nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty ny razana, miandy ny hakan’ny fianakaviany azy. Etsy andanin’izay, misokatra kosa ny fanadihadiana ataon’ireo pôlisy avy ao amin’ny sampana heloka bevava.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici