- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Manamboninahitra miaramila nangalatra « pont Bailey » nadoboka am-ponja

Andohatapenaka : Manamboninahitra miaramila nangalatra « pont Bailey » nadoboka am-ponja

Mahagaga ihany  no mampahalahelo ity tranga izay niseho tao amin’ny foiben-toeram-panjakana iray eny Andohatapenaka ity. Ekena fa efa tsy am-perinasa intsony ity toerana ity ary betsaka ireo mahafantatra izany nefa mbola manana fahefana hiditra ao no manararaotra manao izay tiany atao tao. Isan’izany ity Kolonelin’ny Tafika izay nahavita namoaka an-tsokosoko ireo vy rehetra mandrafitra « Pont Bailey » iray nipetraka tao amin’ny toerana fitobian’entana teny Andohatapenaka io. Ireto fitaovana izay voalaza fa navoaka antsokosoko tao amin’ny OTU (Office des Travaux d’Urgence) izay nanana foiben-toerana teny Andohatoerana, rehefa natao ny fanamarinana, ary rantsana teo ambany fiahian’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, saingy efa nofoanana ankehitriny. Isan’ireotomponandraikitra nanana fahefana  tao ity Manamboninahitra ity ary angamba nahafantatra tsara ny zava-nisy tao ka nahatonga azy nahasahy nanao izao asa ratsy izao. Efa niakatra teny amin’ny Fitsarana ny raharaha ary niakatra teoanivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo tamin’ny herinandro lasa iny.

Naverina ny alatamisy 28 aogositra teo ny raharaha satria tsy  tonga ilay kolonely tamin’ny fotoana nampakarana ny raharaha voalohany, sady mbola niandry ny fanomezan-dalana avyamin’ny lehibe ny nahafahana manenjika azy (autorisation de poursuite). Nidoboka am-ponja eny Antanimora ilay kolonely taorian’izay, toy izany koa ny mpamily nitatitra ny vy izay voarohirohy tamin’ity raharaha ity.

Mbola karohina kosa ny mpividy na mpandray ny entana.

T.M

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici