Tsindron’antsy tsy natao handratràna fa hamonoana mihitsy. Porofon’izany, ny mifanandrify amin’ny fo no nitsatohan’ilay zava-maranitra. « Niantso ny sakaizany taloha ilay vehivavy ary nilaza fa vonoin’ilay lehilahy miaraka aminy amin’izao fotoana izy ka mila vonjy maika. Tonga tany an-tranon’ilay tovovavy tokoa ity sakaizany taloha ary nifankahita tao izy roalahy. Raikitra ny ady ka tao anatin’izany dia notsindronin’ilay lehilahy miaraka amin’ilay vehivavy amin’izao tamin’ny antsy teo akaikin’ny fon’ilay lehilahy sakaizan’ilay vehivavy taloha. Naratra mafy ka ny polisy tonga teny an-toerana no nitondra azy teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy » raha araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny raharaha momba ny heloka bevava, ao amin’ny rantsana faha-efatra. Nitsoaka nandositra nony avy eo ny nahavanon-doza. Rehefa tonga ny polisy izay nahazo fampandrenesana momba ny zava-nitranga dia nanao fisafoana ny manodidina avy hatrany. Teo Andohatapenaka izy no voasambotra rehefa natao savahao ny tanàna. Ny fepetra noraisin’ny polisy voalohany dia ny fitazomana avy hatrany ilay lehilahy nahafaty olona ary koa ilay vehivavy sakaizany. Samy notazomina izy roa ireo noho ny vonoan’olona sy ny firaisana tsikombakomba amin’ilay heloka bevava izay nitranga. Natolotra ny fampanoavana omaly ity raharaha ity.
D.R