Ny alakamisy teo no natolotra ny fampanoavana etsy Anosy ilay miaramila notorian’ny vadiny ho nandoro azy tamin’ny solika. Ny pôlisy misahana ny raharaha heloka bevava no nisahana ny fanadihadiana. Trano am-polony maro no indray nirehitra noho ny hetraketrak’ilay miaramila, izay raha araka ny fanamarihana azo dia mpiambina olona ambony ao amin’ny fanjakana. Ny 7 martsa lasa teo, raha nisy ady teo amin’ny mpivady, izy no loham-pianakaviana, dia nisy avy hatrany ny fanapahan-keviny nandoro ny vadiny. Notsipazany solika ary nampireheteny tamin’ny afo. Mba nahavo-tena ihany ilay ramatoa saingy niafara tany amin’ny entana tao an-trano ny afo. Izany no niteraka ny hain-trano nisy azy roa izay nitatra tamin’ny manodidina ary niafara tamin’ny trano hazo niisa folo izay kila forehitra. Nampidirina hopitaly ilay ramatoa ary mbola eny. Satria mbola tsy fantatra mazava ny tena anton’ny afo teo dia mbola nahavita nandainga ihany ny sasany hoe fipoahana gaz no nitranga. Saingy tsy maintsy misy hatrany ny fanadihadiana misokatra rehefa misy ny hain-trano ary tamin’izay indrindra no nahafahan’ny mpitandro ny filaminana namantatra fa hay zavatra hafa mihitsy no nitranga. Natao ny fisamborana ary izao niafara tamin’ny famonjana izao. Amin’ity tranga ity izany dia voaporofo ny vesatra ny amin’ny saika hifofoana ny ain’olona. Ny amin’ny antony nitarika ilay miaramila ho tonga amin’izany fihetsika izany, satria ny vy tsy mikitrana irery, dia ny any amin’ny fitsarana no hanadihady bebe kokoa an’izany ary mahita raha tokony hampihena sazy na tsia.
D.R