- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Mpanao « MOP » tratra nanendaka

Andohatapenaka : Mpanao « MOP » tratra nanendaka

Tovolahy iray no voasambotry ny pôlisy, teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny, raha nikasa hanafika sy hanendaka olona anaty fiara, ny alakamisy hariva lasa teo. Araka ny fantatra dia olona mbola migadra eny Antanimora izy io, saingy manao asa ivelan’ny fonja na « MOP »

Isan’ny faritra atahorana mihitsy raha amin’ny resaka fanendahana sy fanafihana anaty fiara, indrindra fa rehefa manomboka mitohana iny ny fifamoivoizana, eny amin’iny faritra Andohatapenaka, mihazo an’Ampasika iny. Mahakasika izay indrindra no nahazoan’ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito antso vonjy fa hoe misy jiolahy mihaodihaody eny Ampasika sy Andohatapenaka, manakaiky ny toby fivarotan-tsolika iray teny an-toerana. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy taorian’izay ary nanao ny fisafoana. Andian- tovolahy maromaro nampiahiahy  tokoa no hita teny an-toerana ary narahi-maso. Vao nahita ireo pôlisy anefa izy ireo, dia nitsoaka ka raikitra teo ny fanenjehana. Tra-tehaka tamin’izany ny iray tamin’izy ireo : tovolahy 28 taona, izay nahitana antsy lavalela (manodidina ny 30 sm any ho any) tany aminy. Rehefa natao ny fanadihadiana azy, dia fantatra fa mbola eo am-pamitana sazy eny amin’ny fonjan’Antanimora izy, araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena, saingy manao irony asa ivelan’ny fonja irony na « MOP ». Mbola mitohy kosa  ny fikarohana ireo namany hafa raha ny vaovao hatrany. Etsy andanin’izay, dia mba hirarian’ny rehetra ny fisiana fanadihadiana lalindalina kokoa mahakasika ireto gadra afaka mivoaka ny fonja, voalaza fa hoe manao « MOP » ireto. Kanefa raha ny ankabeazany hatreto, dia saika tratra manao asan-jiolahy avokoa. Asa sa hoe izany angamba ilay « asa hanirahana azy ireo ivelan’ny fonja » ?

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici