Vetivety dia tonga ny hafatra. Noraofin’ny pôlisy, ora vitsy taorian’ny fitarainan’ny olona tao anaty tambajotra sosialy ireo mpanamboatra môtô, tsy ampy fahaiza-miaina sy mibahana ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra tetsy Andohatapenaka omaly. Ny zava-nisy: mpanamboatra môtô iray eny amin’iny faritra Andohatapenaka iny, tsy lavitra ny toerana fivarotana pizza iray no mampitaraina ireo mponina mpandalo eny an-toerana fa mibahana ny lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Manana toeram-pivarotana tsara ry zalahy ireto saingy ny toerana nataony hiasàny sy hanamboarana ireo kodiaran-droa tonga amin’izy ireo dia eo amin’ny « trottoir », hany ka tsy manana toeran-kaleha intsony ireo mpandeha an-tongotra raha tsy midina mankany amin’ny arabe. Omaly dia vehivavy bevohoka iray no nangata-dàlana tamin’izy ireo satria maro loatra ireo fiara nifamezivezy tamin’ny arabe. Voalaza fa ompa variraraka no nasetr’ireo mpanamboatra môtô izany mpandeha an-tongotra izany, izay manan-jo tanteraka hisitraka ny fandehanana amin’ny « trottoir ». Nitaraina fatratra tao anaty tambajotra sosialy ity lasibatra ity. Teo no fantatra fa tsy vitsy ihany koa no nahatsikaritra ny tsy fahaiza-miaina nasehoan’ireo mpanamboatra môtô ireto teny an-toerana, izay sady mpanompa olona no manao asa tsy ara-dalàna amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Teo anatrehan’ny zava-misy dia tsy ela dia tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana ny zava-nisy ary tsy ela torak’izay dia nisy ny fandraisana andraikitra. Noraofin’ny pôlisy avy hatrany ireo mpanamboatra môtô ireo ary nasaina nesorina avokoa ireo môtô nibahana teo. « Noentina avy hatrany nankeny amin’ny kaomisaria ny tompon’ilay fanamboarana môtô niaraka tamin’ilay tovolahy mpanamboatra môtô tsy mahay manaja olona . Nanarina sy nomena fampitandremana ireto farany mba tsy hametraka ireo môtô eny amin’ny trottoir fa indrindra mba tsy hanao tsinontsinona amin’ny mpiara-belona aminy fa hanaja azy na amin’ny fiteny na amin’ny fitondran-tena » hoy ny fampitam-baovao. Heverina fa anatra ho an’ireo olona manao izay danin’ny kibony amin’ny lalam-bahoaka ny toe-javatra toa izao. Mbola marobe mantsy izy ireo, indrindra fa ireo mpanamboatra môtô, raha tsy hiteny afa-tsy eny amin’ny lalam-baovao etsy Ankasina.
m.L