Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no niseho tetsy Andohatapenaka ny alin’ny alakamisy lasa teo. Lehilahy iray no nodominin’ny kamiô semi-remorque iray. Tsy vitan’ny voadona anefa fa mbola voarain’ny kodiarana ary maty voahitsaka tao. Nipotsaka ary voatery noraofina mihitsy aza ny atidohany, raha ny filazan’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any no niseho ny loza. Efa iaraha-mahalala ny fahateren’ny lalana eny amin’iny faritra iny, manginy fotsiny ny habetsahan’ny olona mifamezivezy eny an-toerana. Tamin’izay indrindra no somary nanara-tsisiny loatra ilay fiarabe, ka nahadona an’ilay rangahy, izay raha ny fantatra dia avy nirava niasa ary handeha hamonjy fodiana. Voafaokan’ny lohan’ilay fiarabe ity farany ary nidaraboka tany amin’ny arabe. Voarain’ny kodiarana teo aloha, ary notetezin’ireo kodiarana taty aoriana. Antony nahavaky ny lohany sy nampipotsaka ny atidohany. Ny horakoraky ny olona nahita ity tranga mahatsiravina ity no nanaitra ny mpamily ary nanajanona ny fiarabe nentiny. Indrisy anefa fa tsy nisy azo natao intsony tamin’ilay voahitsaka. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, nanao ny fanadihadiana rehetra. Ilay mpamily kosa dia fantatra fa notazomina eny Tsaralalàna, nanaovana famotorana, ary hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela. Ny razana kosa dia efa naterina teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly, ary efa nalain’ny havany. Fa mbola lozam-pifamoivoizana hafa ihany koa no niseho tetsy Ambohimangakely tamin’io alina io ihany. Tamin’ity indray mitoraka ity indray dia samy kodiaran-droa no nifandona. Potika tanteraka ireto môtô « scooter » nifandona ireto, ary olona telo no naratra tamin’izany. Raha ny fantatra dia ny iray tamin’izy ireo no tena voa mafy. Efa samy nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana avokoa moa ireto mpitondra môtô nifandona ireto.
m.L