- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Mpanendaka nitondra sabatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Andohatapenaka : Mpanendaka nitondra sabatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mpanendaka iray no niharan’ny fitsaram-bahoaka, ny sabotsy lasa teo. Torana tsy nahatsiaro tena ity olona ity ary tena naratra mafy tokoa. Soa fa tonga ny mpitandro ny filaminana nanao fisafoana, afaka nitondra azy tany amin’ny trano fitsaboana. Tsy fantatra aloha na efa nahazo zavatra izy na tsia tamin’ny endaka nataony. Io andro sabotsy io tokony ho tamin’ny 6 hariva no tratra nanendaka ity lehilahy ity. Maro ireo nahita azy nanao izany teny Andohotapenaka. Niara-nirohotra ny olona nanenjika azy ary efa tonga teny Ankasina vao tratra. Nitondra sabatra ity olon-dratsy ity. Tsy afaka nanao na inona na inona anefa teo anatrehan’ny olona maro. Tonga dia nandeha ny daroka. Tsy vitan’izany fa mbola naboridan’ny olona ny anao lahy. Nasesy nentina niverina teny Andohotapenaka. Ny vono tamin’izany nandeha ihany. Asa aloha izay niseho raha tsy nandalo ny mpitandro ny filaminana. Efa tsy manaiky intsony izao ny mponina eo anoloan’ny asa ratsin’ireo mpanendaka etsy sy eroa, ka raha vao mahatratra dia toa zary lasa mandeha ho azy ny famonoana. Ireo jiolahy mantsy dia tsy mitsitsy mihitsy, fa izay azony dia mahita faisana tokoa ary misy mihitsy aza ny mamoy ny ainy ireo voatafika sy voaendaka.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser