- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Mpiambina olom-panjakana teo aloha, voasambotra

Andohatapenaka : Mpiambina olom-panjakana teo aloha, voasambotra

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona teo ho eo no nosamborin’ny mpitandro filaminana omaly maraina tokony ho tany amin’ny 9ora tany ho any teny Andohatapenaka. Raha ny loharanom-baovao dia toa hoe mpiambina olom-panjakana teo aloha izany ity lehilahy ity. Tsy fantatra mazava hatreto izay antony tena nisamborana  an’ity olona ity, fa araka ny voalaza dia nahitana basy ankevitry ny tsy ara-dalàna tany aminy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa toa hoe nisy olona saika ho samborin’ny mpitandro filaminana tamina hôtely iray teny an-toerana. Rehefa nanontaniana anefa ny tompon-trano dia efa lasa vao maraim-be io olona io. Nisy ihany anefa ny fisavàna nataon’ireo mpitrandro filaminana ka tamin’izany no nahatratrarana an’ity rangahy ity. Nentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana moa ity olona ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser