- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Mpitandro filaminana voarohirohy amin’ny « kidnapping »

Andohatapenaka : Mpitandro filaminana voarohirohy amin’ny « kidnapping »

Ny herinandro lasa teo, nitrangana fakàna an-keriny teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny. Mpandraharaha iray no lasibatra tamin’izay fotoana izay nangatahan’ireo mpaka an-keriny vola mitentina 600,000 euros. Niditra an-tsehatra anefa ny zandary misahana ny fikarohana heloka bevava (SRC) etsy Fiadanana ka votsotra ilay olona ary voasambotra ireto atidoha sy mpiray tsikombakomba tamin’izany. Nisy ny maty. Ny zava-nisy : ny andron’ny talata 7 febroary teo no niseho ity fakàna an-keriny ity. Roa lahy nitondra basy no naka ilay lehilahy teny an-toerana, niaraka tamin’ny mpamily. Nihazo an’Ambohitrimanjaka iny izy ireo ary nifarana tany Ambohinambo Talamaty. Teny an-dalana no navotsotr’izy ireo ilay mpamily raha nentin’izy ireo niaraka taminy ilay mpandraharaha. « Efa ny omalin’io no efa nikasa ny haka ny zanak’ity rangahy ity ireo olon-dratsy saingy tsy tanteraka, ka io nalain’izy ireo io ny rainy, ny ampitso » hoy ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitry ny zandary ao Fiadanana. Ny alarobia hariva no nandeha ny fangatahana volabe ho famotsorana ilay rangahy. Nisy ny adivarotra hoy ny vaovao ka niafara tamin’ny vola 12 tapitrisa ariary izany, izay aterina teny Bevalala. Nanomboka teo no niditra ny zandary, niezaka namonjy ilay rangahy sy nikaroka ireo mpanao ratsy. Tsy ela dia nivaly ny famotorana : avotra soa aman-tsara ilay lasa an-keriny ary fantatra ireo tompon’antoka. Nandritry ny fisamborana, hoy hatrany ity tompon’andraikitra voalohan’ny SRC ity no nisy fifandonana tamin’ireo mpisambotra sy ireo hosamborina, ka nahalavo ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Nitohy ihany ny fanadihadiana ka tafakatra dimy ireo voasambotra ary tao anatin’izany ny atidoha nikotrika ilay fakàna an-keriny, izay tsy iza fa olona akaiky sy ny mpamilin’ity lehilahy ity. Tamin’izy ireo ihany koa nahitàna mpitandro filaminana iray, hoy hatrany ny vaovao. Nisy vehivavy iray mpiray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy ihany koa voasambotra tamin’izay fotoana izay. Marihana fa tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo dia mbola nahitàna basy lava iray tany amin’ireto farany, niaraka tamin’ny fiara anankiray, izay nogiazana avy hatrany. Hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela moa ireto mpaka an-keriny ireto aorian’ny fakàna am-bavany azy ireo eny anivon’ny biraon’ny zandary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici