- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Olona roa tra-tehaka niaraka tamina môtôna halatra

Andohatapenaka : Olona roa tra-tehaka niaraka tamina môtôna halatra

Mbola teo am-pitaingenana ilay môtô halatra mihitsy ireto roa lahy ireto no tra-tehaky ny pôlisin’ny UIR tetsy Andohatapenaka, ny faran’ny herinandro teo. Ny alin’ny 21 martsa iny tokoa mantsy dia nisy môtô marika « Honda » very teny amin’iny faritra Anosizato iny. Ny tsy fantatr’ireo mpangalatra dia nisy « GPS » ity kodiaran-droa ity ka raha vao nolazaina fa very izy ireo, dia narahana avy hatrany ny diany tamin’ny alalan’ity fitaovana ity. Fantatra ny ampitson’io fa teny Ambohijanaka no misy azy. Ny ampitson’io dia hita indray fa eny amin’iny faritra Andohatapenaka iny no nisy ilay môtô. Napetraka teo avy hatrany moa ny vela-pandrika, izay nataon’ireo Hery vonjy taitry ny pôlisin’ny kaomisaria ireto teny an-toerana. Iaraha-mahalala rahateo ny maha-faritra mena iny faritra iny. Tsy ela dia tonga teny amin’ilay toerana voatondro ho nisy ilay môto ireo pôlisy. Ary indro fa teo tokoa ity farany, izay mbola notaingenana olona roa. Niaiky moa ireto farany fa tsy azy ireo ilay môtô fa halatra, rehefa nosavaina ny taratasy mombamomba izany fitaovana izany. Nentina avy hatrany izy ireo ary natolotra ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy hanaovana famotorana. Araka ny fanazavàna azo, dia mbola misy namany any ho any ary ity farany no tena atidoha nikotrika ilay fangalarana. Efa eo andalam-pitadiavana ity farany moa ireto mpitandro filaminana ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici