Filaharam-be lalandava ny fitiliana etsy Andohatapenaka. Io koa no nohararaotin’ny mpanao ratsy izay mifangaro ao anatin’ny olona izay milahatra miandry ny anjarany amin’ny filitiana. Ny tanjona anefa eo dia ny haka ny entan’olona izay mipetrapetraka. « Tsy mifidy toerana hanaovana asa ratsy ireto olona hita amin’ny sary ireto fa dia any amin’ny toerana fitsaboana ny valan’aretina Covid-19 mihitsy no manararaotra mangalatra entan’olona tonga mitsabo tena eny an-toerana. Tsy ireo olona mitsabo tena ihany no niharan’ny asa ratsin’izy ireo fa na ireo mpitsabo aza dia misy very entana ihany koa », raha araka ny fanazavan’ny polisy. Notohizan’izy ireo ny fanazavana momba fomba fanaon’ireo olon-dratsy : « mody mihaodihaody toy ireny olona hanao fitiliana ireny izy roa (lahy sy vavy) kanefa hangalatra ireo entan’olona mipetrapetraka eny no tena anton-dia. Soa fa misy polisy izay miasa andro aman’alina tao amin’ilay toeram-pitsaboana ka ireny no nandray ny andraikiny avy hatranh. « Tra-tehaka niaraka tamin’ireo entana (drap sy poketra nifono tao anaty sachet ary akanjo ) vao avy nangalariny izy roa ary niaiky ny heloka vitany », hoy ny polisy. Olona efa vonona ny hiditra hopitaly no voaroba. Matoa koa mankeny Andohatapenaka dia ao anaty sarangan’olona atonony ny fidiram-bola. Dia izany no mbola nohararaotin’ny mpangalatra koa. Tsy mifidy hatao lasibatra, araka ny tenin’ny polisy tokoa.
D.R