Taovan-kenan’omby, mahatratra aman-taonina maro, nokasaina haondrana any ivelany no tra-tehaky ny zandary tetsy Ampefiloha Ambodirano, ny alakamisy lasa teo. Teratany vahiny iray no voarohirohy tao anatin’ity raharaha ity ka nosamborina sy hanaovana famotorana amin’izao fotoana izao.
Nahavariana ny maro tokoa ity tranga niseho teny Andohatapenaka ity rehefa nidina tampoka tamin’ny tranona teratany vahiny ny zandary misahana ny fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana. Nisy mantsy, araka ny fanazavàna azo, ny vaovao azon’izy ireo fa misy teratany vahiny mikasa hanondrana taovan-kena an-tsokosoko teny an-toerana. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva tany no tonga ireto zandary ireto, niaraka tamin’ireo solontena avy ao amin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep). Tra-tehaka tao tokoa ilay teratany vahiny. Rehefa niroso tamin’ny fisavàna ny tranony ireto mpanao fanadihadiana dia hita tao ireto hena marobe. Nangonina tao amin’ny trano lehibe iray, natao tamin’ny gony ary efa vonona ny haondrana. Milanja eo amin’ny 27 taonina eo izany ary nahitàna « vorivorin-kena » sy « soucril ».
Araka ny didim-panjakana laharana faha-2019-046 nivoaka ny volana janoary 2019 dia voarara ny fanondranana omby sy izay rehetra mikasika izany ary anisany ny hena. Raha ny fanazavàna azo anefa dia efa mpanao io asa fanondranana hena io ity vahiny ity, ka na dia efa nihatra aza io didim-panjakana io dia mbola nitohy nanao ny fanaony ihany ny lehilahy. Nentina avy hatrany natao famotorana moa io vahiny io ary atolotra eny anivon’ny ambaratongam-pahefana mahefa rehefa vita izany. Ireto taovan-kena tratra kosa dia tsy maintsy hopotehina.
m.L