- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Toakagasy 800 litatra, saika hatondraka eto Andrenivohitra

Andohatapenaka : Toakagasy 800 litatra, saika hatondraka eto Andrenivohitra

Nangingina indray angamba ny rongony, any amin’ny toakagasy ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina no mamokovoko, kanefa dia mbola midona hatrany. Ny sabotsy lasa teo, toakagasy 800 litatra, natao tanatina “bidon” 20 litatra  40 no saron’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, tetsy Andohatapenaka. Araka ny fantatra, dia efa nisy ny loharanom-baovao azon’ireto mpitandro filaminana ny mahakasika ireto toakagasy saika hatondraka eto Andrenivohitra ireto. Avy any Toamasina no fiavian’ireto toaka tsy ara-dalàna ireto. Ny sasakalin’ny sabotsy teo dia noraisim-potsiny teny amin’io toerana voalaza io ny fiarabe iray rehefa nosavaina. Olona telo no niaraka tamin’ity fiara ity ary nosamborina sy nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany. Tamin’izany no nahafantatra, fa avy amin’izany faritra Fanandrano, ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao no nangalàna ireto toakagasy ireto ary olona eto Andrenivohitra no tompon’ny entana. Mahazo ampahany kosa ireto mpitondra azy ireto. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitsara mpanao famotorana amin’izao ny raharaha. Fantatra mantsy, fa omaly ireto olona tratra ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici