- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Tompona « cash point » voatifitra, lasa ny vola 30...

Andohatapenaka : Tompona « cash point » voatifitra, lasa ny vola 30 tapitrisa ariary

Lehilahy iray, tompona « cash point » na irony toerana fandefasana sy fandrasaim-bola amin’ny alàlan’ny finday irony no lasibatry ny asan-jiolahy, omaly hariva. Tsy tamim-pisalasalana ny nitifiran’ireo olon-dratsy an’ity mpandraharaha ity, ka nahavoa azy. Vokany, lasan’ireo olon-dratsy ny vola 30 tapitrisa ariary tany aminy.

Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva teo no nitrangan’ity fanafihana ity, teo anelanelan’ny « rond point » sy ilay « côcô plastique » eny Andohatapenaka. Raha ny fanazavana voaray, dia avy nanidy ny tsenany teny Ankazomanga ary an-dàlana  hody ity mpandraharaha ity no izao lasibatry ny jiolahy izao. Heverina araka izany, fa mety ho efa arak’ireo olon-dratsy ny lamin’asan’ity lehilahy ity, ary fantatr’izy ireo an-tsakany sy an-davany, fa nitondra volabe ity ranamana ity. Izy rahateo tamin’io fotoana io  nandeha môtô, raha ny vaovao hatrany. Tsy fantatra teto anefa na efa nandrasan’izy ireo kendry tohina ity lehilahy ity, na efa narahany hatrany Ankazomanga. Teo amin’io toerana voalaza tetsy ambony io mantsy vao nitifitra ireo olon-dratsy ary nikendry tsara ilay lehilahy. Voa avy hatrany ity farany ary nianjera teny ambonin’ny môtô nandehanany. Noho ny ratra nahazo azy, dia tsy afa-nanao na inona na inona intsony, rehefa norobain’ireo mpanafika, izay marihana ihany koa fa nitondra môtô, ny sakaosy nisy ireo volabe tany aminy. Vao azon’ireo tsy valahara ny vola, dia nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo. Marihana, fa nisy fitohanana teny an-toerana ary mbola be olona tamin’izany faritra izany, saingy toy ny mahazatra dia mijery fotsiny ireo olona na samy mitsoaka mamonjy ny ainy avokoa. Rehefa lasa ireo jiolahy vao mitangorona mijery ny zava-nitranga. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy rehefa nampandrenesina mahakasika ity fitifirana an-dalambe ity, ary niezaka ny nanenjika ireo olon-dratsy. Efa mandeha moa amin’izao ny fikarohana ireo mpanafika. Ilay voatifitra kosa efa nentina namonjy toeram-pitsaboana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici