- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Tovolahy maty, namonjy ny namany namono tena

Andohatapenaka : Tovolahy maty, namonjy ny namany namono tena

Tovolahy iray, manodidina ny 18 taona eo ho eo no namoy ny ainy, natelin’ny ranon’Ikopa, omaly hariva tetsy Andohatapenaka. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no nosintonin’ireo mpamonjy voina tao Ikopa, ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity. Araka ny nambaran’ireo olona teny an-toerana dia saika hamonjy ny namany, nitsoraka tao Ikopa ity tovolahy ity. Izy namonjy indray anefa avy eo no namoy ny ainy, fa avotra soa aman-tsara kosa ilay saika navotana. Ireo nanatri-maso hatrany no nitantara fa avy nanao baolina teo amin’ny kianja iray, ampitan’ny sampanana Ambohitrimanjaka ireto tanora ireto. Resy tamin’ny lalao nataony anefa izy ireo ka nanapa-kevitra ny hamarana ny androny ilay tovolahy iray, ka nandeha nitsoraka tao amin’ny ranon’Ikopa. Nentanin’ny fitiava-namana ity namoy ny ainy ity, raha ny nambaran’ireo teny an-toerana hatrany, ka nitsoraka ihany koa namonjy azy. Dia izao zava-doza izao anefa no niseho, fa tsy nipoitra intsony ity tovolahy. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny mpamonjy voina. Vetivety ihany dia hita ny vatana mangatsiakany. Niteraka fihetseham-po nahery vaika loatra teo amin’ny tovovavy iray niaraka taminy izany, raha ny filazan’ny olona hatrany, ka torana sy nifamonjena tao anaty olona tao ity farany. Niteraka fitohanam-be teny an-toerana ity tranga omaly hariva ity. Saingy nilamina ihany izany rehefa tonga teny ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici