- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Trano hazo sy biriky 290 tafo kilan’ny afo, olona telo namoy...

Andohatapenaka : Trano hazo sy biriky 290 tafo kilan’ny afo, olona telo namoy ny ainy

Nandravarava indray ny afo omaly teto Antananarivo-Renivohitra. Nitranga izany teny amin’ny fokontany Andohatapenaka-voalohany ka araka ny angom-baovao azo tamin’ny ora nanaoratanay ity lahatsoratra ity, dia trano hazo sy trano biriky an-jatony no kila hotohoto. Tsy mbola fantatra marina ny tena fahavoazana, satria hatramin’ny 7 ora hariva dia mbola tsy maty ny afo ary mbola tsy voafehy  na dia miady mafy amin’izany aza ireo mpamonjy voina avy ao Tsaralalana miaraka amin’ny fitaovana vaventy maro ; izay eo am-pelatanan’izy ireo. Nefa raha araka ny filazan’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto andrenivohitra dia tombanana ho eo amin’ny 290 tafo eo ho eo ireo trano may. Olona telo kosa no namoy ny ainy. Araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia trano hazo iray no niaingan’ny afo tamin’ny 5 ora hariva tany ho any. Tsy mbola fantatra marina aloha izay nahatonga izany, fa raha araka ny filazan’ireo mponina eny an-toerana dia trano fonenana izy io, fa tsy fivarotana akory. Avy hatrany dia nidedaka ny afo ary nahazo ireo trano manodidina izay hazo avokoa. Ny fitsokan’ny rivotra rahateo moa nanampy trotraka ka tsy voafehy intsony izany na dia teo aza ny ezaka nataon’ireo fokonolona sy ireo niharamboina mba hamonoana izany . Ireto farany izay tsy afa-nanoatra intsony, fa dia niezaka namoaka izay voarambin’ny tànana avy ao an-tranony sisa no natao. Azo lazaina fa haingana ihany ny nahatongavan’ireo mpamonjy hain-trano avy etsy Tsaralalàna satria, tsy ampy antsasakadiny akory dia efa tonga teny ny fiara lahibe roa. Nampiasaina avy hatrany ny fantsona fanondrahana rano, saingy vetivety dia lany ny rano tao ao amin’ireo kamiao ireo. Soa fa efa tonga ihany koa ny manaraka. Sarotra ny famonjena, satria somary lavidavitra ihany vao vao misy « bouche d’incendie » eny amin’iny faritra iny. Ankoatr’izay, eo ihany koa ny fahamaroan’ny fifamoivoizana izay nanelingelina be ihany sy ny fisian’ireo vahoaka maro mifanaretsaka. Soa fa raha vao nitranga ny loza, dia efa nidina teny an-toerana ny mpitandro ,ny filaminana nandamina sy nanemotra ny manodidina. Arak’izany, dia mbola tsy fantatra marina izay vokatr’ity hain-trano ity, fa araka ny voalaza hatreto dia nisy tokoa ny aina nafoy. Andrasana arak’izany izay vokatry ny fanadihadiana hataon’ireo tompon’andraikitra voakasik’izao mba hahalalana ny tena zava-nisy marina. Tsara ny manamarika, fa olom-panjakana maromaro no efa tonga teny an-toerana nizaha ny fizotry ny famonoana ny afo.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici