15 minitra alohan’ny hitsaharan’ny « couvre feu » omaly maraina, tetsy Andohatapenaka. Tsy mpitandro filaminana no manakana ireo olona tsy hivezivezy teny amin’iny faritra iny fa jiolahy … mitam-basy ! Tokony ho tamin’ny dimy ora latsaka fahefany maraina, akaikin’ny toby fivarotan-tsolika iray teny amin’ny gare routière Maki, lehilahy roa, ny iray manao saro-tava ary ny iray mitondra basy poleta no manakana izay olona sy mpitondra môtô mandalo. Mpiasa eny an-toerana nahita ny zava-nitranga no nampilaza avy hatrany ny pôlisy. Tsy niandry ela fa nidina avy hatrany teny an-toerana ireto farany nanamarina ny zava-nisy. Tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny no nahitàna olona mbola mifamaly. « Lehilahy iray nandeha moto no nosankasain’ireto jiolahy ireto ka nambana’izy ireo tamin’ny basy vita gasy. Nanohitra anefa ity lehilahy nandeha moto ity ka novelesiny tamin’ny « casque » ilay basy ary latsaka tamin’ny tany » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Sampana misahana ny serasera eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Ireo jiolahy kosa, raha vao nahita ireo polisy nanatona azy ireo dia rafitra nitsoaka ireo olon-dratsy, izay tsy nahazo na inona na inona tamin’ity lehilahy voatafika ity. Marihana hoy ny vaovao fa tsy nisy akory ny fanapoahana basy teny an-toerana ka noho izany tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy. Voamarina ihany koa, raha ny fanazavàna hatrany fa tsy nisy bala ilay basy poleta vita gasy latsaka teny an-toerana. Efa mandeha moa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto.
m.L