- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Voasambotra ireo jiolahy mpandroba fiara sy mpanao herisetra

Andohatapenaka : Voasambotra ireo jiolahy mpandroba fiara sy mpanao herisetra

Roa aloha izay no voatazona, heverina fa mbola hanaraka ny ambiny … Ny voalohandohan’ny volana teo no voasambotry ny pôlisy avy etsy anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, ny sasany amin’ireo tontakely, izay isan’ny nampitondra faisana olona maro teny amin’iny lalan’Andohatapenaka sy ny manodidina iny. Natolotra ny Fampanovana ny faran’ny herinandro teo ary nadoboka eny Antanimora avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Raha ny fitarainana tokoa dia efa maro, raha eny amin’iny faritra iny no lazaina. Ary tsy vao izao fa efa hatramin’ny ela dia anisan’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana iny lalana Andohatapenaka sy ny manodidina iny, indrindra fa amin’ny alina. Mazava ho azy fa efa tsy dia misy intsony mpandeha an-tongotra sahy mandeha irery amin’iny raha vao alinalina, dia any amin’ireo fiara sy kodiaran-droa indray ireo jiolahy no manao ny ataony. Ary ny tena loza dia tsy menatra ny mampiasa ny fitavom-piadiana eny an-tanana, entiny mandratra sy mamono ireo izay miseho mamaly azy izy ireo.

Tahaka ity tranga izay, vao tsy ela akory izay, niparitaka tao anaty tambajotra sosialy ity, izay nahalasibatra mpitondra fiara avy niasa alina sy mpitondra môtô. Samy voasakana avokoa izy ireo ary voambana tamin’ny antsy sy « bois rond ». Ny an’ireo nitondra fiara dia lasa ny vola sy firavaka araka ny fitantarany fa ny an’ilay mpitondra môtô kosa, rehefa namaly ireto jiolahy dia noleran’izy ireo ny antsy. Naratra mafy ary voatery naiditra hôpitaly.

Tsy niandry ela, taorian’io raharaha io ny pôlisy misahana iny faritra iny dia nametraka paikady indray, entina hiarovana ireo mpindrana ny lalana amin’iny faritra iny sy hikarohana ireto olon-dratsy ireto. Niafara tamin’izao fisamborana azy izao moa izany fa mbola hitohy, hoy ny fanazavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici