Voasambotra i Papozy ! Lehilahy iray monina eny amin’iny faritra Andohatapenaka iny, ary efa kalaza lahy amin’ny resaka fanendahana sy fisintonana finday anaty fiara no saron’ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany fahafito etsy 67ha, ny talata lasa teo. Vehivavy iray no lasibatra tamin’io fotoana io, raha avy nanatitra ny zanany nandeha nianatra izy. Finday avo lenta iray no lasan’i Papozy tamin’io fotoana io. Ny tsy nampoizin’ity mpanendaka rain-dahiny sy ikohizana ity anefa, dia nisy nahafantatra teny an-toerana izy. Nametraka fitarainana avy hatrany tany amin’ny pôlisy ilay ramatoa voaendaka. Tsy nisalasala ihany koa ilay olona nahafantatra an’i. Papozy, nanoro ny trano fonenany teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny. Eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana manjaka eny amin’iny faritra iny, dia tsy niandry fotoana ela ireo mpitandro filaminana fa avy hatrany dia nanao bemidina teny an-toerana. Vao nahatazana ireo farany kosa ilay mpanendaka dia nitsoaka, saingy voasambotra ihany nony farany. Omaly moa ity tovolahy ity no natolotra ny Fampanoavana.
m.L