Omaly no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana ireo jiolahy roa azo sambom-belona taorian’ny fanafihana Airtel Money teny amin’ny faritra Andohoranofotsy, andro maromaro lasa izay. Fantatra araka izany fa nalefa nigadra eny Tsiafahy izy roalahy ireo. Ramatoa iray izay voalaza fa mpamatsy basy ireo jiolahy kosa no naiditra eny Antanimora. Vaovao anisan’ny goavana niseho tety amin’ny faritry ny renivohitra iny fanafihana teny Atsimondrano iny. Dimy lahy nitondra basy mahery vaika toy ny kalach sy poleta ka ny iray vita gasy, no niditra ankeriny tao amin’ilay Airtel Money tamin’ny andro antoandro. Rehefa nahazo izay nilainy ireo mpandroba dia lasa nandositra. Efa naratrany tamin’izany moa ny tompon’ny tsena. Raha vao nandre ny fanafihana ny zandary dia raikitra ny fanenjehana ireo jiolahy izay nandeha nihaotra tanana maromaro. Tsy ela dia tratra ireo olon-dratsy. Toa tsy nanaiky nosamborina anefa izy ireo ka nisy ny fifampitifirana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Lavo tamin’izany ny bandy telo. Mpitandro filaminana iray ihany koa no naratra voan’ny bala. Azo sambo-belona teny Ambohimanala sy Soavina kosa ny roa tamin’ireo mpangalatra. Rehefa natao ny fanadihadiana azy ireo dia ry zalahy no nanondro vehivavy iray nolazainy fa mpamatsy fitaovam-piadiana azy ireo. Natorony ny toerana misy an’io ramatoa io ka nandeha eny amin’ny 67Ha ireo zandary nisava ny tranon’ilay vehivavy. Tsy afaka nihetsika ity olona ity ary dia noraisim-potsiny tamin’ny faha-25 desambra lasa teo. Mbola nahitana basy PA iray sy bala miisa 13 tao amin’ilay trano.
r.s.