- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohoranofotsy : Efadahy mpanao fanafihana voasambotra niaraka tamin’ny basy

Andohoranofotsy : Efadahy mpanao fanafihana voasambotra niaraka tamin’ny basy

Nahitana vokany ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana avy ao Andohoranofotsy. Voasambotr’izy ireo ny jiolahy  efatra fantatra fa mpanao fanafihana amin’ny faritra maro. Tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo dia voalazan’ny vaovao fa vao avy nanafika tany Faratsiho izy ireo. Sendra ny tsy nampoiziny anefa ka izao tra-tehaka izao izy ireo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa basy mahery vaika no entin’izy ireo. Saika nanaovany ny asa ratsiny ny toerana maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Re ihany koa fa tonga hatrany Miarinarivo any izy ireo. Tena mitondra faisana avokoa izay rehetra tafihan’ity andian-jiolahy ity. Ny vaovao hatrany koa no nahafantarana fa tsy mora ny fisamborana azy ireo.

Manjaka amin’izoa fotoana izao ny tsy fandriampahalemana manerana ny firenena. Ena mampiteny ny moana, hoy ny fitenenana, ny zavatra vitan’izy ireo. Vao ny alarobia hariva tamin’ny 8 ora no notifirin’ny jiolahy ny tovolahy iray teny Faralaza Talatamaty. Maty vokatr’izany izy io. Saika misy fanafihan-jiolahy dia misy olon-tsotra hatrany mitondra faisana.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser