- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohoranofotsy : Fito lahy nanafika, naratra voatota vato ny tompon’ny trano

Andohoranofotsy : Fito lahy nanafika, naratra voatota vato ny tompon’ny trano

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo, tokony ho tany amin’ny 1 ora maraina, jiolahy miisa fito no fantatra fa nanafika tranona tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny PAM. Voalazan’ny vaovao fa nitondra basy sy sabatra ireo mpandroba. Nanao be miditra izy ireo ary raha vao tao an-trano dia voambana basy izay rehetra tao. Tsy fantara izay niseho fa ankevitry ny saika hanohitra angamba ny tompon’ny trano ka avy  hatrany dia notatan-dry zalahy tamin’ny vato teo amin’ny lohany. Naratra mafy tokoa izy ary nentina tsaboina teny amin’ny hopitaly. Rehefa tsy afaka nanohitra intsony kosa ireo voatafika dia nalain’ireo mpangalatra avokoa ny vola, ny fianday ary ny ordinatera tao an-trano. Raha vao azony moa izany zavatra izany, lasa nandeha niala ny toerana ireo olon-dratsy. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana ka misokatra ny fanadihadiana amin’izoa fotoana izao.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser