- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndohoranofotsy : Jiolahy roa maty voatifitry ny zandary

Andohoranofotsy : Jiolahy roa maty voatifitry ny zandary

Olona roa no fantatra fa maty voatifitry ny zandary avy eny Andohoranofotsy ny alin’ny sabotsy hifoha alahady. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa anisan’ireo jiolahy nanafika tamina tokantrano iray teny amin’ny toerana antsoina hoe Ambolamena eny Bongatsara Atsimondrano izy ireo. Tamin’ny fanarahana ny dian’izy ireo no nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana ireto olona roa ireto. Na dia efa nanao tifi-danitra nampijanona azy ireo aza ny zandary dia rifatra nandositra ihany izy ireo. Niafara tamin’izao fitifirana izao. Ny iray voa teo amin’ny tendany ary ny faharoa teo amin’ny tratrany. Ny mpitandro filaminana no nanatitra ny razana teny amin’ny tranompatin’ny HJRA omaly maraina be.

Ny alahady efa diva haraina tamin’ny 2 ora tany ho any no fantatra fa nanafika trano iray ny jiolahy telo. Rehefa tafiditra izy ireo dia ny vola no notakiany. Samy tsy nisy nahetsika ny tao amin’ilay trano. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izay ny vola 3 500 000 ariary, “chèques” maromaro, “carte bancaire” ary kara-panondro. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa, tsy nisy naninona ireo olona tao an-trano. Raha nahazo izany ireo mpandroba dia lasa nandeha niala ilay toerana. Nampilaza haingana ny zandary ireo voatafika. Vetivety foana dia tonga teny amin’ny toerana ny mpitandro filaminana. Natao ny fanarahana ny lalana nandosiran’ireo mpangalatra. Tamin’izay ireo olona roa no nifanena tamin’ny zandary ary nisian’ny fitifirana. Ilay fahatelo kosa tsy fantatra izay nalehany.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser